Manana Anao (A/C : Jocelyn RANJARISON)
Efa reraky ny fiainana aho
Tsy nahita izay nombàna intsony
Saika latsaka tanatin’ny famoizam-po aho
Tsy haiko intsony izay natao
Soa fa tonga Ianao nanarina ahy
Nampitraka, namonjy ny fanahy
Nositraninao ‘lay fery tato anatiko
Izay nandratra ny foko
Fiv. :
Manana aho Tompo ô fa manana Anao
Niova ny fiainako Tompo ô tao Aminao
Tsy nanenina aho raha nandray Anao
Tsy ho toy izao ny fiainako
Raha toa tsy tao Aminao