Hiaka-tsehatra voalohany amin’ity taona ity, amin’ny 1 martsa ho avy izao ny tarika AmbondronA etsy amin’ny lapan’ny kolotsaina, etsy Mahamasina. Eo am-pamaranana ny kirakiran’ny lafiny artistika ry zalahy amin’izao fotoana izao ka tafaresaka taminay i Beranto, mpitendry gitaran’ny tarika.
Araka ny nambarany dia tsy mitovy foana ny zava-mitranga isaky ny hanao fampisehoana iray ny tarika AmbondronA.
Hafa kely ihany koa ny fandrindrana amin’ity indray mitoraka ity satria miara-miasa amin’ny Orange Madagasikara amin’ny alalan’ny Orange Money ry zalahy ka izay mividy tapakila amin’ny Orange money dia mahazo fihenam-bidy 1 000 ariary be izao.
Isan’ny antony nisafidianany ny fiaraha-miasa amin’i Orange Madagasikara ihany koa ny fitoviam-pijerin’ny roa tonta ary koa ny hiantefan’ny hafatra tian’ny tarika Ambondrona hampitaina, ho tonga any amin’ireo izay mbola tsy niantefan’izany hatrizay.