Efa tany am-pahaverezana aho
Vao mba nahatsiaro Anao e
Toa valabalaka ny aiko
Marary mafy ny fanahiko
Dia miandrandra sy mibanjina aho
Mitanondrika mivavaka
Injay fa henoko ny feonao
Izay vao tsapako ny tanànao
Fa lalanao no hizorako
Fandalalovan’ny fianako e
Voakasikao ny foko ka ho Anao mandrikazay
Fa lalanao no lalako
Ny fiainanao no fiainako e
Voasasanao ny foko ka ho Anao mandrikazay
ANTSAN’NY ZAVA-BOAHARY